Tarika Ramaroson Wilson - Ny any aminay

  • il y a 12 ans
Diavolana fenomanana takariva
Mampanembona ireo havan-tiana
Injao manàko sy mamoha toa antsiva
Ny alahelo fa lavi-podiana

Mahamanina izay tazanina
Any mantsy ny aminay

Diavolana fenomanana takariva
Mitambolona ny andro fahiny
Ireo koràna kalokalo tononkira
Mahamanina, mifoha fahiny

Volivoly ô, ngolingoly
Any mantsy ny aminay

Diavolana fenomanana takariva
Ka tsaroana e, i Dada sy Neny
Ireo angano sy arira mahaliana
Injao manako ombieny ombieny

Ny alahelo mamelovelo
Any mantsy ny aminay

Wilson RAMAROSON