Tarika Ramaroson Wilson - Matoa (A/C: Barijaona/Rado)

  • il y a 12 ans
Matoa e! manonja 'ty moron'ny rano
Dia nisy ny rivo-nitsoka azy tao
Matoa koa ny masoko manganohano
Tsy hafa fa tena alaheloko anao

Matoa e! mijojo sy avy ny orana
Dia efa nandrahona izy io anikeo
Matoa koa ny foko no mangorangorana
Dia manina te-ho eny akaikinareo

Matoa misy kalo mandresy ny akora
D'izany no hira manala toloko.
Matoa koa ny masoko akimpiko mora
Dia maika hibanjina anao ao am-poko

RADO

~~ Dinitra - p60 - Ambila 20-09-65 ~~