Tarika Ramaroson Wilson - Siokan'ny manina

  • il y a 12 ans
Siokan’ny manina

Fiv. :..
Lahy o! Siokan’ny manina
Roy e! Siokan’ny manina

Irery amin-toeran-mangina
Tsy misy izay mba iresahana
Ny hiran’ny fo no tsindriany
Sioka no feo ivoahany
Tsy fantany akory izay mety
Mahatonga ity sioka tsy fidiny
Fa tampoka teo, teo vetivety
Dia lasa tsy tana tsy fidiny

Fiv. :..

Angamba izay mahatsikaritra
Mihevitra azy ho adala
Kanefa diniho maharitra
Fa hanina ny olo-malala
Ny hira niaraha-nikalo
No nahatonga azy hahatsiahy
Ka taitra ny olo, ny olo-mandalo
Nahita azy very fanahy

Fiv. :..

Ny fony ao anaty izay ditsoka
Kosehin’ny hiran’ny manga
Ny vetson’ny sioka miritsoka
No toy ny mameno ny banga
Mijery izy fa tsy mahita
Izay tiany ho fantarina tsy hay
Raha tsy ny sioka no vita
Tsy nety ho nody ny sainy

Fiv. :..