Gasiray, hetsika ho an'ireo tsy manan-kialofana

  • il y a 9 ans
Fanomezana labozia, fitafiana sy sakafo ho an’ny tsy manan-kialofana mandry isan-kalina ao amin’ny tunnel Ambanidia sy ny tunnel Ambohijatovo no tanjona amin’ny hetsika #Gasiray, izay hita ao amin’ny tambazotra sosialy “Facebook”.

Mpianatra taona faha-telo ao amin’ny ISCAM Ankadifotsy no mikirakira ity hetsika ity, izay nanomboka ny 24 aogositra lasa teo, ary ho tapitra ny 6 septambra ho avy izao, amin’ny 18H00.

Manentana ny rehetra handray anjara ireto mpianatra miisa enina ireto. Tsotra ihany ny fandraisana anjara. Manao selfie na “vidéo” mitondra hafatra, ary halefa ao amin’ny Facebook miaraka amin’ny soratra famantarana #Gasiray.

Isaky ny selfie iray, dia manokana 500 Ar ho an’ny tetibola entina mividy ireo entana ho an’ny tsy manan-kialofana ireto mpikarakara. Isaky ny “vidéo” iray kosa dia 700 Ar no hatokan’izy ireo.

Ny vola entin’izy ireo ampiasaina amin’ity hetsika ity dia misy ny ampahany avy amin’izy ireo mpikarakara ihany. Samy nanokana vola avokoa izy enina mianadahy entina hanatanterahina ny tetikasa. Ny ampahany hafa kosa dia avy amin’ireo orinasa sy olon-tsotra izay mpiara miombon’antoka amin’izy, ka nanome teti-bola manokana.

Arao ary ny dinika niarahana tamin’ireo mpikarakara.

Recommandée