ONE : Fahazoan-dàlana ara tontolo iray nahato noho ny tsy fanarahana bokin’andraikitra

  • il y a 9 ans
Niisa 77 ny isan’ny fahazoan-dàlana ara tontolo iainana na « permis environnemental » navoakan’ny ofisim-pirenena momba ny Tontolo iainana (ONE) tamin’ity taona ity. Ny maro amin’ireo orinasa nahazo ireo fahazoan-dàlana ireo dia miasa eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany avokoa.

Isan’ny andraikitra voalohany sahanin’ny ONE ny fisorohana ny fahasimban’ny tontolo iainana aterak’ireo fampiasam-bola miankina na tsia amin’ny fanjakana sy ny ady atao amin’ny fandotoana.

Ankoatra izay, isan’ny anjara asa sahanin’ny ONE ihany koa ny famolavolana fitaovana natao handraisana fahapahan-kevitra ho entina hitantanana ny tontolo iainana, toy ny tondrozotra ara-tontolo iainana, ny torolanana ara-tontolo iainana ho an’ny Faritra, na koa ny Famintinana ny toetoetry ny tontolo iainana eo amin’ny Faritra. Ity farany dia isan’ny fitaovana iray ahafahana miady amin’ny doro tanety eto Madagasikara. Raha ny antontanisa farany dia manodidina ny 48 000 hektara ny velaran-tany may vokatry ny doro tanety teo anelanelan’ny volana janoary sy oktobra 2015.

Araho ny resadresaka nifanaovana tamin’ny tale jeneralin’ny ONE, Rakotoary Jean Chrysostome

Recommandée