Mampiroborobo ny E-Fanorona koa ny kaompaniam-pitaterana

  • il y a 8 ans
Nanao hetsika fampahafantarana ny kilalao „E-Fanorona” teo anivon’ny kaompaniam-pitaterana Cotisse, tetsy Ambodivona ny Nelli-Studio, orin’asa nanatontosa ity kilalao amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ity, nandrtitra ny iray volana.
Tapitra androany, 19 novambra 2015, izany fampahafantarana izany ary tsapan’ireto mpikarakara fa nahafa-po tokoa ny vokatra.
Kilalao malagasy ny „Fanorona” ary tsy vitsy no mahafantatra azy. Saingy azo lazaina fa vaovao amin’ny besinimaro ihany ity „E-Fanorona” ity satria azo lalaovina amin’ny alalan’ny finday, „tablettes” ary solosaina fitondra mandehandeha (ordinateur portable), mifandray amin’ny tambanjotran’ny „Internet” izy.

Misy ny fiaraha-miasan’ny orin’asa Orange Madagascar sy ny kaompaniam-pitaterana Cotisse, amin’ny alalan’ny fanomezana rohy „wifi” maimaim-poana ho an’ireo olona miantsona, miandry fandehanana na fahatongavana, ao Ambodivona, na koa ho an’ireo mpandeha eny ambony fiara mihitsy aza (satria misy izany „wifi” izany koa eny ambonin’ny fiara, mandrapaha-tonga any amin’izay toerana handehanana). Hany ka nahamora izany fampianarana sy fampiroboroboana ity kilalao ity izany.

Nanazava i Andrianasolo Joro, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Nelly-Studio fa zava-dehibe ho an’ireo izay manana itony teknolojia vaovao itony, ny fisian’ity „wifi” ity, eny amin’ny amin’ny toeram-piantsonana ao Ambodivona sy eny amin’ireny fiara fitateran’ny Cotisse ireny, satria tsy midonanam-poana ny olona fa afaka mampiasa saina sy milalao, mandrapaha-tongan’ny ora andrasany.

Maimaim-poana avokoa izany satria maka ny laharana miafina (code) any amin’ny tompon’andraikitry ny Cotisse fotsiny ireo mpanjifa miandry eo an-toerana dia mahazo ilay rohy izay ilainy (connexion).

Recommandée