Amin’ny fito ora maraina, ao anatin’ny hatsiaka mamirifiry, marobe ireo mpiadina hiatrika ny CEPE, homban-dray amandreniny, no efa tonga teny amin’ny foibem-panadinana. Amin’ny valo ora, manomboka ny fiantsoana anarana. Amin’ny ankapobeny, tsy dia hita taratra teny amin’ny endrik’ireto katitakely hiatrika ny CEPE ireto ny fitaintainana. Tsy toy izany kosa no tsikaritra ho an’ireo ray aman-dreny. Ny taranja Kajy avy hatrany no nitsena ireo mpiadina androany maraina ary mamarana azy rahariva kosa ny Jeografia. Rahampitso 22 jolay ihany dia efa hanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana. Eo anelanelan’ny 24 hatramin’ny 31 jolay kosa no vinavinain’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena hamoahana ny vokatry ny CEPE 2015 eny amin'ireo fari-piadidiam-pampianarana tsirairay. Amin’ity taona ity, miisa 485 013 no isan’ireo kandida voasoratra anarana hiatrika ny fanadinana CEPE, isa izay manatombo 1,5 isan-jato raha mitaha amin’ny tamin’ny taona 2014. Manerana an’i Madagasikara, 28 ny isan’ireo mpiadina manana fahasembanana hiatrika ity fanadinam-panjakana voalohany ity. Enin-taona no zandriny indrindra ary 37 taona kosa no zokony indrindra amin’ireo miatrika ny CEPE. Mifanojo amin’ny fanatanterahana ny fampielezan-kevitra ny fanadinana CEPE tamin’ity taona ity. Na tsy nisy aza ny didy mamaritra ny fampihatoana ny fampielezan-kevitra ho an’ny androany, misy amin’ireo kandida no nanapa-kevitra ny hampiato ny fampielezan-kevitra ho fitsinjovana ireo mpiadina. Ho an’ireo izay hanohy izany kosa, fanirian’ireo ray aman-dreny ny tsy hampiasan’izy ireo fitaovana fanamafisam-peo mba hanomezana fifantohan-tsaina ireo mpianatra madinina manala CEPE.
Écris le tout premier commentaire