Passer au playerPasser au contenu principal
  • il y a 10 ans
Ny tarika D’Yem no nahazo ny « grand prix du jury » tamin’ny fifaninanana StarAfrica Sounds 2015. Mahery ny 100 ireo mpifaninana nanerana ny Afrika. Ny hiran’izy ireo « Malala a ! » no nahazoan’izy ireo izany amboara goavana izany.

Manodidina ny 20 taona avokoa ireo mpikambana ao amin’ny D’Yem, izay niara-dia tao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) ny ankamaroany.

I « Malala a ! » moa dia tafiditra tao anatin’ny rakikira nivoaka ny taona 2014, izay nitondra ny lohateny hoe « Izy no Izy ».

Hatreto aloha, dia tsy mbola manana « producteur » ny D’Yem, anefa kosa maniry ny ho matianina eo amin’ny sehatry ny hira sy mozika. Efa dingana iray ahatongavana amin’izany ny fahazoana ny amboara « Grand Prix du Jury » tamin’ny StarAfrica Sounds 2015.

Tafatafata nifanaovana tamin’ny tarika D’Yem, taorian’ny nahafantarana ny valin’ny fifaninanana.

Catégorie

🗞
News
Écris le tout premier commentaire
Ajoute ton commentaire

Recommandations