Tamin’ny andiany 2014 ny StarAfrica Sounds, i Alson no voafidin’ireo mpampiasa Facebook sy Twitter hisolotena an’ny Madagasikara tamin’ny dingana famaranana. Maro tokoa ireo mpanakanto malagasy nandray anjara, fa izy no niantefan’ny safidin’ny mpifidy.
Teo amin’ny dingana famaranana, dia tafiditra teo amin’ny laharana faha-12 i Alson teto Afrika. Fanamby lehibe ho azy izany, nentiny nivoatra hatrany teo amin’ny sehatry ny kanto.
Nanao ary ny niainan’ny Alson ny fifaninanana ? Inona ny tsiambaratelony nahafany niakatra tamin’ny dingana famaranana ? Arao ao anatin’ny resadresaka nifanaovana.
Ho an’ny andiany 2015 amin’ny StarAfrica Sounds kosa, dia manainga ireo mpanakanto handray anjara i Alson.
Efa nisokatra ny fisoratana anarana, ary tsy mifarana izany raha tsy amin’ny 26 mai. Manomboka eo kosa, dia ny rehetra no mifidy ny ho solotenan’ny Madagasikara amin’ny dingana famaranan’ny StarAfrica Sounds 2015.
Ny rohy hisoratana anarana : http://fr.starafrica.com/musique/inscription