Notontosaina ny 20 sy 21 martsa tetsy amin’ny zaridaina an’Antaninarenina ny fifaninana fanorona izay nokarakarain’ny Nelli Studio, ny ORTANA ary ny kômity mikarakara ny taom-baovao malagasy. 16 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana ary i Tahina no nandrobaka ny amboara. Nahazo tablette izy ho loka amin'izany.
Ny tanjon’ny mpikarakara moa dia ny fanapariahana ny fanorona, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny kolontsaina mlagasy.
Nandritry ny fifaninanana, dia nisy ny fampianarana fanorona sy e-fanorona tetsy amin'ny zaridainan'antaninarenina, izay nahasarika ny maro, na ny kely na ny lehibe.
Commentaires