Passer au playerPasser au contenu principalPasser au pied de page
  • 13/03/2015
Niato nandritry ny andro maromaro ny fandraofan’ny Samva ny fako teto andrenivohitra, koa niparitaka teny amin’ny arabe ny fako. Ny Samva moa no orin’asa nampiantsorohana ny fikojakojana sy ny fiantohana ny fitaomana ny fako avy eto andrenivohitra ho eny Andralanitra.

Nisy ny olana ara-teknikna hoy ny tale jeneralin’ny Samva, andriamatoa Roy Rasoamaromaka. Efa manomboka maka ireo fako kosa ankehitriny ny avy ao amin’ny Samva, ary fiara 40 no ampiasain’izy ireo, izay miasa andro aman’alina.

Nampatsiahy ihany koa ny tale jeneralin’ny Samva, fa vola mitentina 25 tapitrisa ariary no hilaina isan’andro amin’ny fanalana ny fako. Izany hoe 9 miliara ariary isan-taona. Manodidina ny 4 miliara ariary kosa anefa ny tetibolan’ny Samva ao anatin’ny taona iray.

Catégorie

🗞
News

Recommandations