NY TSANTAN'IMAHAMASINA - HIARAKA AMINY

  • il y a 16 ans
Extrait Album VCD "Hiaraka Aminy" - Vol.1 (Juin 2008)
Chorale NY TSANTAN'IMAHAMASINA - FJKM ATSIMON'IMAHAMASINA

HIARAKA AMINY

Ravo ny foko e!
Diboka hafaliana
Faly ny saiko
fa tojo izay niriana
Izaho ‘zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny
ho isan’ny ondriny

Tsy hitako intsony
izay teny hilazana izao
Ny hafaliana
ao anaty foko ao
Satria inoako
fa natolony ahy ny fitiavany
Izaho noraisiny ho havany

Tsy hiala eo intsony aho sanatria
Fa hiaraka Aminy mandrakizay doria
Ka n’aiza n’aiza misy Azy dia hisy ahy koa
Fantatro f’izay no mahasoa

Raiso mba ho Anao
Ny tsantan’ny foko izao
Hankalazana sy ho fiderana Anao
Ny hafa ihany koa,
ny vatana sy ny fo
Ny saina sy fanahy afoiko avokoa