Haolo mantsy ilay tanàna Toa kamboty very reny Ka ny làlana nombana Dia efa lasa toy ny very Haolo mantsy ilay tanàna Tsy mba ray hanorotoro Fa ny làlana tiako hombàna Feno lomotra sy atsoro
Dada o ! Neniko iny Izao mangina ankehitriny ‘Lay Akany tonga haolo Miara miondrika daholo Izany rehetra izany Raha dinihana tomany Manambara fa ny tsiahy Tsy mety maty toa fanahy
Écris le tout premier commentaire