Vorona o! mba mivilia hitondra bitsika any Vorona o! harivariva an-tanin'olona aho Ampitandrano(x2) re! no misy anay Jereo fa vitsika momba kitay K'ity manafatra anao
Vorona o! mba hivilio ilay akaniko any Vorona o! hatopatopan-dranomasina izy izay Jereo fa nosy misaritsarin-tongotra hankavia Tsy takatr'antso ka e! mba vimbino Ity teny fohy hoe tsy adino
Tsy ditrany hono hoe no nandaozany ny akany maminy iny Tsy antery anefa fa nafaitra loatra ilay fitenin'ny havany iny Tsy tantiny tokoa ka notinafiny famoizana ny ela Tsy vato anie ny fo f'injao mitepo ihany vonona hifamela