A.F.A.I - Ô inona moa ...? (A/C : Raymond RAKOTOARISOA)

  • il y a 11 ans
Ô inona moa…?
No soa azon’ny olona
Raha mahazo izao tontolo izao
Ka hany efa very ny fanahiny

Hitany Jesosy fa misy ireo izay mandà
Ka mifikitra amin-javatra hita maso eto an tany ô
Fa tsy mihevitra ny maharitra
Dia jamban’ny harena mora levona

Miverena ianao izao
Aza minia mihodina
Mba saino ny ho farany

Hevero ny fiainan-tsambatra
Atolotra anao rahatrizay
Raha mino sy miasa ho @ tsara ô
Ianao no mpanompo izay
Hahazo ny sitraka tokoa
Ho isan’ny handova izany lanitra

Raymond RAKOTOARISOA