Maro ireo alon-drano, ao koa ny loza sy angano e
Mila handrendrika antsika, miboiboika tsy mety ritra
Ao ireo mpisompatra, indrindra koa ny mpialona
Mitady ny hamotraka e, mijery antsika miarakaraka
Ao an-dohako foana e, ny ho eo anilanao
Katsahiko mafy ery, ny hafalifaly foana an-dry
Mitrakà fa aza miondrika, fa tsy irery akory ialahy
Avia an-tratrako, rotsirotsiko fitiavana
Izaho akory tsy mba hiala, fa matokisa ry malala e
Tantely nahita mamy, ka makamaka fy hatrany
Satriko foana e, ny ho eo akaikinao hoà
Mamiko ery, mihirahira mihaja ho an-dry
Tena tia re, maka-fy hoy aho
Manaja foana ny aty
Maro ireo alon-drano, ao koa ny loza sy angano e
Mila handrendrika antsika, miboiboika tsy mety ritra
Ao an-dohako ny mba hoe eo anilanao
Satriko ery, hihira avo feo an-ndry
Tena tia re, maka fy hoà
Manaja foana ny aty mandrakizay doria
Eric TSELATRA
Commentaires