Antsa an'i kristy - Ny hatsaranao

  • il y a 12 ans
Hobio hatrany ilay Raiko tsara indrindra
Nanorina izao tontolo izao
Fa mendrika Azy ny haja ambony
Ka sambatra izay matahotra Azy

Fa na izaho mba hanao toy izany
Tsy hierika etsy sy eroa
Indrindra indrindra tsy hanompo Tompo roa
Fa ampy ahy ny fahasoavanao

Ny hatsaranao ..

Fiv. :
Tena ampy ahy
Ampy ahy, ampy tokoa
Izay vitanao sy ny hatsaranao
Afa-po aho amin’ny fitiavanao
Ts’isy soa azok’oharina Aminao
Ny hatsaranao

Indraindray aho toa tsy mendrika Anao
Koa aza ariana aho noho izany
Vonjeo hatrany ny fanahin-janakao
Mangataka ny hamoram-ponao

Ity ny tenako atolotro hosasanao
Mba tsy hisy pentina ho Anao
Tsy very akory ilay rà nalatsakao
Fa manadio io ahy hatram’izao

Ny hatsaranao ..

Fiv. :..