Soa aho nampahoriana Mba hianarako ny fahendrena Fa ireny no niara-niasa, no nanefena Saina, vatana, fanahy mba handresena Soa hoa voazaha toetra Tamin’ny fahoriana izay nafaitra Ny fanantenako mafy orina Ny fifaliako tsy ho levona
Fiv.: Faly aho, ravo aho, ka hira no ventsoiko Saotra, dera ho Anao Mpamonjiko Fiderana no eo am-bavako MANDRAPAHAFATIKO !!!
Manana ady tsara aho Dia hany ady tsaran’ny finoana Fa fanahy no mibaiko hoe “tanteraho” Dia ho azonao tokoa ny fandresena Indro ny famonjena Asalotra ahy mba ho fitahiana Satro-boninahitra fahamariana Io no tombokase ny fiainana
Écris le tout premier commentaire