Aiza ny finoana ? Nahoana no vonoina ilay fanantenana ? Moa ho tojo fandresena raha diso ‘zay jerena hizorana ? Misy ady mafy Manery antsika hiafy fa tsy hamoy fo Mirosoa, matokia, fa ao ilay Mpitantana ny diantsika ety
Toky efa nomena Ny toeran’ny fanahy hanoro sy hiahy Hanazava fitodiana, hanitsy fiviliana raha sendra tsy nahy Tsy maintsy ho lasa Toy ny ota efa voafafa ny fahoriana ety Mirosoa, matokia, araho ilay Mpandahatra ny fianantsika ety
Mizara hazavana, izany no ilàna ny mpino mahajoro Ataonao mpiara-dia hanavotra ‘reo maro an-tani korohoro Koa isika antenaina, nahoana no halaina ? fa resim-pahakiviana ? Asehoy fa raha hiraisan-tsaina, hoe Kristy tompon’aina d’Izy no hitokina
Toky efa nomena Ny toeran’ny fanahy hanoro sy hiahy Hanazava fitodiana, hanitsy fiviliana raha sendra tsy nahy Tsy maintsy ho lasa Toy ny ota efa voafafa ny fahoriana ety Mirosoa, matokia, araho ilay Mpandahatra ny fianantsika ety
Écris le tout premier commentaire