Ry ampitso mifono ny zava-tsy fantatra Hivimbina sento sa fitserana ho ahy Satriko ianao tsy hatao ankamantatra ééé Fa ndrao mafy loatra ny vetsom-panahy.
Ry ampitso mitondra ny tsiambaratelo Ambarambarao re fa aza anafenana Hafaliana sa embona mamelovelo ? No hokoboninao ambany elatrao
Ny tenako torovana ny fiainana eto Ifampitoloman’ny andro sy ny alina Ny saiko dia vizana mivetsovetso Misedra ny faran’ny habaka lalina ôô Eny ry ampitso natao ianteherana Mba misy fetra ihany ve? itony fitserana.
Écris le tout premier commentaire