Passer au playerPasser au contenu principal
  • il y a 14 ans
Fitia vita voady (Romule)

Ny fitia, fitia vita voady mandra-maty ho doria
Sanatria tsy ankoso-bolamena na mamiratra jerena
Bararata noladinim-bahy ka mifaningotra hatrany
Fa fitia hiaraka eto an-tany na ho tsiky na tomany

Ny fitia, fitia vita voady volamena vita sedra
Dina vita sikotra ao anaty, tsy mba taitran-drendrarendra
Voin-tenan’izay tsy tia, te handrava hankahala
fa fitia, fitia ho doria tsy mahataho-mpanadala

Na ho sarotra aza re ny dia, tsy hiova sanatria
Na ho semban-drahona aza
Nofy izay ho lefy laza
Mafy orina ny anay, ho doria mandrakizay
Ka ny fasana no fetra amin’ny andronay rehetra

Catégorie

Personnes
Écris le tout premier commentaire
Ajoute ton commentaire

Recommandations