Naly RAKOTOFIRINGA - Mariazy
  • il y a 13 ans
Mariazy

Toy ny lamban’akoho ny fitiavam-bady
Ka aina no fetra rehefa mivoady
Na ho soa, na ho ratsy
Ny ananan’azy dia masina
Fa tsy vazivazy
Masina loatra ny mariazy

Fiv :
Manotrona maro ny mpianakavy
Ny havan’ny lahy sy an’ny vavy
Hiarak’ireo manombok’ anio
Lanjao tsara, ka ampitovio

Koa mahaiza ianareo mba mifankatia
Tsy anio na ampitso ihany fa ho doria
Mandra-maty ny fitivana nekena
Satria ny mariazy dia vita fahendrena
Maroa dimby sy fara
Izany no tso-drano ambara
Izy ho anao ary ianao ho azy
Vita ny mariazy.

Naly RAKOTOFIRINGA