Toy ny lamban’akoho ny fitiavam-bady Ka aina no fetra rehefa mivoady Na ho soa, na ho ratsy Ny ananan’azy dia masina Fa tsy vazivazy Masina loatra ny mariazy
Fiv : Manotrona maro ny mpianakavy Ny havan’ny lahy sy an’ny vavy Hiarak’ireo manombok’ anio Lanjao tsara, ka ampitovio
Koa mahaiza ianareo mba mifankatia Tsy anio na ampitso ihany fa ho doria Mandra-maty ny fitivana nekena Satria ny mariazy dia vita fahendrena Maroa dimby sy fara Izany no tso-drano ambara Izy ho anao ary ianao ho azy Vita ny mariazy.
Écris le tout premier commentaire