Eny - AMPIFITIA
  • il y a 13 ans
ENY – Ampifitia

Dia arakarakan'ny handrosoanay
Manao ny asanao, Ray ô no ahatsapanay e
Fa romotra aminay e, vinitra aminay tokoa
Lay satana ratsy e, ‘lay be lolom-po
Lay fahavalon'ny asanao ry Ray Tsitoha
Fa manao izay ho hafany manakana anay
Tsy hanompo Anao izay Andriamanitray e
Ny hanaovanay « eny » dia ho mandrakizay

Fiv.
Raha momba ny asanao (eny e)
Ekenay atao (eny e)
Na iza ho be lazao (eny e)
Ny eninay tsy ho lao (eny e)
Fa ny anay dia eny moa, dia am-bava sy am-po
Eny ho doria, hitory Anao Jesoa tia
Ka na iza handrafy anay, noho ny asanao Ray
Ho reraka eo izy f'izahay tsy ho kivy
Tsy ho resy fa hitory hatrany ny fitiavanao

Fa arakarakan'ny hitorianay
Anao tokoa Jesô no hitomboanay hery
Finoana miavosa e Toky tsy kanosa,
Ireo no enti-mandresy 'lay devoly fetsy
Satana mangidy mpanao ambozizy
Ka mahatoky Anao zahay
Hiady ho anay handresy fahavalo mitady hampimalo
Finoanay izao dia handresy toa Anao

Fiv....
Raha momba ny asanao (eny e)
Ekenay atao(eny e)
Na iza ho be lazao (eny e)
Ny eninay tsy ho lao (eny e)
Fa ny anay tsotra ny teny
Rehefa eny dia eny
Tsy hivadika ho “non” na hoe asio “condition”
Eny ho mandrakizay, eninay tsirairay
Eny ho vono-kanompo, hanompo Anao Jesoa soa
Ilay eny ho doria enin'ny Ampifitia