Raiso Jesosy ô! F’omeko avokoa Mba hanompoako, Anao ny fiainako Tsy asiako fetra, tsy ho faritako Fa aoka Iana no ho mpanapaka
Raha mbola avelanao, hitempo ao anatiko ao Lay foko zay nomenao, mba hamelombelona ahy Dia hitsangana aho, ka hiasa izao mba ho Anao Ka esory amiko ny ahiahy... Jesosy ô!
Mba hiantako aminao, tokoa Jesosy ô! Ampionony re, ny fahatezerana amiko F’efa fantatrao sy tsy miafina eo aminao Saiky kivy ity mpanomponao... Jesosy ô!
Ambarako eto indray, ho ren’izao rehetra izao Ny dina sy ny voady, fa ekeko ny ho irakao Nefa tsy ho tanteraka anie Jeso Raha tsy omban’ny Fanahy Masinao... Jesosy ô!
Be the first to comment