Mba fantatrao ve ‘ty vohitra ity ? Somary ntaolo fa maro mpitia Hifanotofan’ny olo-mandalo Tia hirahira sy tia kalokalo
Antananarivo hikaloy Havoana mora fantatra Antananarivo tsy mba foy Fanao ankamantatra Analamanga fehizay (de tena maminay) Tsy lefy, tsy miova io rahatrizay
Endrey ! Tazano ny hatsaran’ilay Iarivo Tsy mba roa Tarafim-bolana any ho any Mahamanina tokoa Vahiny ve ? Tsy ho tamana Rotsirotsin’ilay tanàna Amin-kira ivaiva Manakoako takariva
Antananarivo, hikaloy Havoana mora fantatra Antananarivo tsy mba foy Fanao ankamantatra Analamanga fehizay (de tena maminay) Tsy lefy, tsy miova io rahatrizay
Écris le tout premier commentaire