Hotahiana anie i neny Izay nitondra folo volana Nahitako ny masoandro Sy ny kintana amam-bolana Dia i neny izay nanoro Sy nampianatra ahy hivavaka No angatahiko @ Ray Ny fitahiana tena miavaka
Fiv : Ny tànanao nanambitamby Lamosinao nibaby Ny tratranao fiondanana Nahitako fiadanana Ho tahiana anie ry neny ’Reny rehetra rehetra ireny
Angatahiko mihitsy Ny any ambony mba hitahy ’Reo molotrao ’zay efa zatra mitsiky Sy nanoroka ahy Mbola hotahiana koa ’Reo masonao manganohano Rehefa misy alahelo Dia toy ny dobo feno rano
Fiv…
Angatahiko mihitsy Mba ho re hatrany an-danitra Ny ahavelomanao ry neny Ka hateza sy haharitra Satria raha eo ianao fihantana fitosiana Fa ny kamboty mbola kely No tena fara-fahoriana.
Écris le tout premier commentaire