Ny andro iray tsy maha eto anao Mahatonga ahy hihira Fa iza moa no ho toa anao ? Raha mbola olon-tiana
Ny tantaram-piainako samirery Sy ny vavam-bahoaka tsy niery Fa dia indro ianao ry Tiana Tena tsapako ny fonao
Fiv.: Fa tsisy toa anao tsy misy toa anao Tsy misy toa anao fa ianao ianao irery Fa tsisy toa anao raha mbola fitia e Fa zovy n’izan’iza tsy mahavita e Tsy mahavita toy ny ataonao
Ny foko rehefa nahazo anao Tsy mila olon-kafa Ny rehetra rehetra izay nataonao Am-poko tsy voafafa
Fa mba zovy no mahavita toy ireny ? Tsy ho lazaiko fa aoka ho ahy samy irery Iza moa no hantenaiko ? @’zay rehetra mitia
Écris le tout premier commentaire