Ny Ainga - Tsy misy toa anao

  • il y a 14 ans
Ny andro iray tsy maha eto anao
Mahatonga ahy hihira
Fa iza moa no ho toa anao ?
Raha mbola olon-tiana

Ny tantaram-piainako samirery
Sy ny vavam-bahoaka tsy niery
Fa dia indro ianao ry Tiana
Tena tsapako ny fonao

Fiv.:
Fa tsisy toa anao tsy misy toa anao
Tsy misy toa anao fa ianao ianao irery
Fa tsisy toa anao raha mbola fitia e
Fa zovy n’izan’iza tsy mahavita e
Tsy mahavita toy ny ataonao

Ny foko rehefa nahazo anao
Tsy mila olon-kafa
Ny rehetra rehetra izay nataonao
Am-poko tsy voafafa

Fa mba zovy no mahavita toy ireny ?
Tsy ho lazaiko fa aoka ho ahy samy irery
Iza moa no hantenaiko ?
@’zay rehetra mitia

OM-GUI

Recommandée