Sompatra itony mpialona Tsy mataho-tody itony mpisompatra Raha ny fitiavana tsy nangalarina ô Nefa somparany tsy hiorim-paka
Tia anie aho tsy avelan'i dada Manina anie aho sakanan'i neny Aza manody aza manangatra F’zay mbola tia kanefa nosakanany ô
Anaran-tany i soavinandriana Fitsangatsanganana mahasondriana Maika raha miaraka roa na telo Ny masoandro maty no mampalahelo
Tsy hitako anie 'zay anaovako anao Lala ô Ataoko ao aloha tsy mahatari-dàlana Ataoko ao aoriana toa olo-manaraka Tsy hitako anie 'zay anaovako anao Lala ô
Sompatra itony mpialona Tsy mataho-tody itony mpisompatra Raha ny fitiavana tsy nangalarina ô Nefa somparany tsy hiorim-paka.
Écris le tout premier commentaire