Nandrasako ho tonga maraina gina foana teo aho Nandroso hisakafo aho ny atoandro nangina ilay seza Niandry handondona ihany aho ny hariva nandinim-baravarana Tsy tonga ianao (x2), nipitrapitra teo aho
Fetiko androany (x2), dia tsy tsaroanao ve ? Sa nininao hoadinoina tsotr’izao fa inona no antony ? Fandrao dia tsy tianao intsony aho, tsy manahy lazao ahy (x2)
Raha toa izany (x2), hivavaka aho ho antsika Mahazoa zay rehetrarehetra mety ilaina ianao ny anjarako fa vita Ny sombin’ny tsara azo avy amiko no iriko ho hovimbininao Ny sombin’ny tsara azo avy amiko no iriko tehirizinao
Antenaiko ho tonga rahariva ilay kintan-kely anjarako Fa na handao aho izy ampitso inoako fa hipody indray Tsy mba toa anao tsy mba toy ny anao manepoka tsy hita Tsy tonga ianao (x2) tsy hipitrapitra intsony aho
Tsy mba toa anao tsy mba toy ny anao manepoka tsy hita Tsy tonga ianao (x2) tsy hipitrapitra intsony aho
Écris le tout premier commentaire