Misentosento loatra, potika ny fo Niandriandry loatra, nivakivaky loha Nefa ianao tsy hitako eo an'ilako eo Lasalasa teo, ny fitiavanao Tsy eno ity feo, fo miantso anao Tsy ho rava ity fitiavako anao
Fiverenana: [center]Ny aiko dia tsy hilaza hanadino anao Ity zanantsika mampatsiaro anao Rehefa mijery azy, ianao no itako Rehefa misakambina, ny tananao no tsampako[/center]
Fo mijaly no miantso anao Fo mitia no tiako omena anao Tsy hisy hanakana , tsy mety levona Ny toerana nomeko anao
Nandefa taratasy, tsy misy valin-teny Tena very saina mantsy, fa tsy sahy miteny Ny hany hery ny fitondran' ny ao ambony Miantso anao ry Ray, omeo ahy ny hery Ny sitram-ponao ahiko, ho soa fa ny ao am-poko Dia fantaro fa tena mbola tena mila Anao
Fiverenana...
Raha izay sedram-piainana mandalo fotsiny ihany Ka na be ny adin-tsaina mandreraka sy mampiondrika amin'ny tany Ny safidin'ity foko, efa mitempo ho anao Ka tsy hisy hibaiko, n'iza n'iza no miteny