Faniry - Tsy mba nandao (A/C : R. Raêlison)

  • il y a 15 ans
TSY MBA NANDAO

Aloka sisa no mamisavisa
Ato am-poko satria ‘lay fitia
Lasa ny ela tsy nisy tavela
Lanin’ny aizina tsy azo laizina
Nefa ianao de tsy mba nandao

Ianao no heriko, ianao no tanjako
Vatolampy iankinako ny safosafonao
Maraina vaovao ny fiainako hatrizao
Ny aloky ny lasa ho’aho
Tsy hanova ny fitiavako

Masoandroko ianao fanilo manazava
Ianao no fiereko raha misy aizina ao
Ianao no nanasa ny aloky ny lasa
Ny fakan’ny fahiny hoy aho
Nanjary aina vao

Masoandroko ianao fanilo manazava
Ianao no fiereko raha misy aizina ao
Ianao no nanasa ny aloky ny lasa
Ny fakan’ny fahiny hoy aho
Nanjary aina vao

R. RAÊLISON