Misaotra Anao izahay ry Ray noho ny fitiavanao Ny haizin-kitroka nisy ahy indro fa nidiranao Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao Ka ravoravo ery ny fo izay midera Anao
Fiv : Inona ary no havaliko Anao ? Noho ireo soa efa narotsakao Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao Ka ravoravo ery ny fo izay midera Anao
Na dia tsy mendrika ry Ray ireto te-hidera Anao Dia notoloranao tokoa ny fanavotan-dehibe Na dia mahantra aza re dia novidian’ny zanakao Tamin’ny ràny izay madio mba ho isan’ny Anao
Fiv : -----
Dia menatra tokoa ry Ray hifanatrika Aminao Kanefa noho ny zanakao dia indro fa manantona aho Manery ahy izany foko resin’ny fitiavanao Ilay fo maniry mafy Anao ka indro hanjakao
Écris le tout premier commentaire