Rija Ramanantoanina - Mama
  • il y a 15 ans
Mama, avelao handeha fa efa
Olon-dehibe ity zanakao,
Te hahaleo tena,
F'efa tonga taona,
F'efa tonga saina.

Mama, Mama,
Be ny vitanao tena be tokoa,
Mamy koa raha mamy
Ny fitiavanao,
Tsy mba roa fa tokana tsy mety lany
Loharano mamy

Ianao no nahalehibe nahatoa izao ahy,
Andriko fony aho be ahiahy,
Toky tsy namitaka ahy
Hatram'izay naha zao ahy izay fa Mama

Avelao aho mba handeha,
Hisonga f'efa lehibe,
Hisedra irery ny atao hoe
Fiainana isan'andro,
Hitetika hahandro,
Kanefa aza manahy ianao
Fa ireo anatrao no hialoha làlana ahy

Rija Ramanantoanina