Toa tsy mahagaga Ny toetranao efa malaza fa Mora tia vao, avy eo mora lao Toa tsy mahataitra Ny fombanao na dia tsy laitra Fa andrakandramanao izao rehetra izao
Toa mora adino, mora lefy avokoa Toa haitraitra ihany fa tsy matotra ity fo F’izany tsy mahasakana ahy Ny mbola ho tia anao Fa raha ny momba ahy
Efa matotra, raha ny fitiavako anao Zany angamba no antony Mahatonga anao tsy ahafoy ahy
Indraindray variana aho Raha iny ianao ka manakiana ahy Tsy ahitako izay rariny ny ambaranao
Fa haitraitra ihany mora lefy avokoa Fantatrao ihany ny mampilamina ny fo K’izay no tsy mahasakana ahy Mbola ho tia anao Fa raha ny momba ahy Efa matotra, raha ny fitiavako anao Zany angamba no antony Mahatonga anao tsy ahafoy ahy
Marina fa tsy misy ny lafatra Mbola eto ihany miandry Miandry anao
Écris le tout premier commentaire