Inona no antenainao @’izao fiainana izao Hasambarana ve sa fiadanana koa mandalo miserana izany Matetika aza miandry anao feno alahelo hakiviana Very hevitra ianao ary indro antsoinao rahafatesana
‘Ty fiainana ity tsy hitondra fiadanana ho anao Ary ‘ty fiainana ity famoizam-po no entiny ho anao ‘Ty fiainana ty ahiahy sy tahitra no hatolotra ho anao ‘Ty fiainanan ity fahoriana no saininy ho anao
Ny hevitra atoroko anao @’izao taonanao zao Tsy mety ny fiainana raha toa ka lavitra an’Andriamanitra Jesôsy maty hamonjy anao ary hanasitrana anao Raha toa ekenao izao anio izao Jesôsy hanafaka anao
Jesôsy Kristy raiso ho anao fa fiainana Izy Jesôsy Kristy hamelombelona ny fonao Jesôsy Kristy hitondra fifaliana fahafahana ho anao Jesôsy Kristy fiadanana be no entiny ho anao
Écris le tout premier commentaire