Hosea 6:1 - “Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.”
Hody aho
Vorona taitram-basy aho ry devoly ka tsy hijanona intsony Ka veloma mavesabesatra no apetrako anao ‘Leo ny mifotetaka amin'ny tany aho Ka aleo mba hiakatra ambony Ary hiaina amin'ny fiainan-tsoa mamiratra sy vaovao
Rovitra voro-damba ve no sisa navelan'ny fahotana Ho tinafin'ny tenako efa reraka sy mahia Hatramin'ny masoko aza no voarakitry ny haizin'ny fahajambana Tsy nahita ny harato fandrika ka dia ndre nikodia
Hamantana tany foana toa avandra ririna ianao satana Raha toa mikasa ny mbola hiverina ato anatiko indray Fa ny aizina be taloha efa voaroaka ny taratry ny hazavana Ahitako ilay lalan-tsara zay makany am’ Ray
Aza hitsahinao re ny lambako ry ngahy losifera fa ny andro hariva Tsy te hierika anao intsony aho f'efa leo sady fay F'efa injany fa re manako sy mikalo any ho any ny feon'antsiva Miantsoantso izay mbola tara rehetra hody amin'izay
Tsenao amin'ny indrafonao aho razoky Jesô f'efa tonga saina Hatolory ny tananao re zaho fa vizana re eee Mifaly aho raha toa ka raisinao no sady tsy maty fo aman'aina Ohatr'izay aho efa voatono tany anaty afo be
Écris le tout premier commentaire