Deotoronomia 31:6 – “MAHEREZA SY MATANJAHA ; AZA MATAHOTRA NA MANAHY AZY; FA JEHOVAH ANDRIAMANITRAO NO MIARA-MANDEHA AMINAO; TSY HANDAO ANAO NA HAHAFOY ANAO IZY.”
ANDRIAMANITRA TSY MANDAO
Ry mpanota ô tsarovy fa Andriamanitra tsy mandao Andriamanitra tsy mandao ê! tsy mandao anao Fa ianao no maniasia madeha mizotra ny miankavia Fa Andriamanitra tsy mandao ê tsy mandao anao Fa ianao no mamilafila tahaky ny toa tsy mila Azy Fa Izy dia tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa raha nanafatra anao Izy ka niteny nanao hoe Lalan-kely arahina fa aza mizotra ny lalam-be Tsy nino an'izzany ianao fa io hoy ianao no hita fa tena tsara Nefa io izoranao io ê any andavaka no miafara
Fa raha naniraka anao Izy ka niteny nanao hoe Ndeha torio ny FIlazan-tsara ho ren'ny olona maro be Ianao tsy nitory fa natahotra hifandona amin'i losifera Tsy mba nanana finoana fa vao voadona dia efa nianjera Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao FA ny Tompo dia tsy mandao anao ê! tsy mandao anao Fa ianao no maningatsingana sasa-miarina fa voafingana Fa ny Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao Fa ianao ity no mialangalana te hiverina antsasa dalana Fa Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao
Écris le tout premier commentaire