Groupe Laurent Rakotomamonjy - Andriamanitra tsy mandao

  • il y a 16 ans
Deotoronomia 31:6 – “MAHEREZA SY MATANJAHA ; AZA MATAHOTRA NA MANAHY AZY; FA JEHOVAH ANDRIAMANITRAO NO MIARA-MANDEHA AMINAO; TSY HANDAO ANAO NA HAHAFOY ANAO IZY.”

ANDRIAMANITRA TSY MANDAO

Ry mpanota ô tsarovy fa Andriamanitra tsy mandao
Andriamanitra tsy mandao ê! tsy mandao anao
Fa ianao no maniasia madeha mizotra ny miankavia
Fa Andriamanitra tsy mandao ê tsy mandao anao
Fa ianao no mamilafila tahaky ny toa tsy mila Azy
Fa Izy dia tsy mandao e! tsy mandao anao

Fa raha nanafatra anao Izy ka niteny nanao hoe
Lalan-kely arahina fa aza mizotra ny lalam-be
Tsy nino an'izzany ianao fa io hoy ianao no hita fa tena tsara
Nefa io izoranao io ê any andavaka no miafara

Fa raha naniraka anao Izy ka niteny nanao hoe
Ndeha torio ny FIlazan-tsara ho ren'ny olona maro be
Ianao tsy nitory fa natahotra hifandona amin'i losifera
Tsy mba nanana finoana fa vao voadona dia efa nianjera
Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao
FA ny Tompo dia tsy mandao anao ê! tsy mandao anao
Fa ianao no maningatsingana sasa-miarina fa voafingana
Fa ny Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao
Fa ianao ity no mialangalana te hiverina antsasa dalana
Fa Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao

Laurent RAKOTOMAMONJY