Toy ny zanak'ondry very an'efitra izahay Tsy mba misy ny hanorotoro sy hananatra Dada ô miverena ianao,f'aza ny hadisoan'i neny No entina hampijaliana anay
Ho kamboty velon-dray ve izahay Ka hanjeninjeny foana hitsiriritra ireo namanay Very vahatra izahay toy ny masoandro Ny masoandro vao hiposaka ka hilentika sahady ho maizina
Tsy safidim-ponay re Ny ho ety an-tany fa ny fitiavanareo k'aza avela ho malok'ila ny androm-piainanay ety an-tany Fa mahatsiaro ho irery izahay
Ireo namanay mpiara-milalao mitanisa falifaly fa manan-dray mahavita izao sy izao ny ato an-trano anefa zara raha mitafy Fihafina lava tsy mba manan-dray hanafy