Izay jereko anie ry aiko, omban'ny alokao. Tsy hitahita toa tsy haiko, fa voatonona ny anaranao Ny tontolon'ny fisainako, manjohy anao am-binany Tiako ianao amin'ny fiainako, hanorenana akany.
AIZA IANAO (x2) MOA VE MAHATSIARO AHY; IZAHO ATY MBOLA TIA, TENA TIA FA AZA MANAHY!
Raha toa ka misy eritreritra, tonga ao an-dohako ao Voatsiahiko matetika, ireo tokintsika izay natao, Isan'andro aho mitsiky, lavitra ahy ny tomany Fenonao mihitsy, ilay ratra-poko manontany
Ny sarinao tsy mba miala eo imasoko Vita sikotra tsy maty ato anatiko Eny anao aho, anao irery ihany
Écris le tout premier commentaire