Manina ny ao an-kianjanao ny fanahiko Mahatsiaro ny any ka velontsento ny ao am-po Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao Hidera Anao mandrakariva hidera Anao Fa ny miserana indray andro ao an-kianjanao Dia tsara lavitra noho ny anarivony Fantatrao tsara f’izany ndrindra no antony Mahatonga ahy hangetaheta ny ho ao
Fiv : (Manina ny any aho) Mahatsiaro ireo hira niaraha nidera Fideran-tsesilany tsy voafetra ny lera (Manina ny any aho) Miara-midera miara-mandihy Miara-manandratra ny voninahitry Kristy Miaraka amin’ireo mino Anao sy efa nodiovinao Tonga olom-baovao
Manina aho maniry mafy te handeha Ny faniriako hitoetra any be dia be Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao Hidera Anao mandrakariva hidera Anao Fa ny miserana indray andro ao an-kianjanao Dia tsara lavitra noho ny anarivony Fantatrao tsara f’zany ndrindra no antony Mahatonga ahy hangetaheta ny ho ao
Écris le tout premier commentaire