Anarana hafakely sy miavaka, ny anaran’ilay Tompoko Antsoina foana rehefa hivavaka, manala ny gadra ao am-po Ny olana ‘zay miseho amin’ny fiainako, dia samy maivana avokoa Raha vao tononiko ilay Anarany, dia momba ny Heriny.
Fiv. : Hôsana ho Anao, ry Mpanjakako Fa tsy hay ampitahaina ry Tompo Izany fahalebeazan’ny Herinao Deraina Ianao, ry Mpanjakako Fa ny fahalemeko noho ny Herinao dia isehoan’ny Voninahitrao
F’ilay satana mandositra avy hatrany, raha vao mandre ny Anarany Isika koa afaka ny miantso izany, fa hiseho ny Heriny.
Fiv…
Nefa tsy mba natao fianianana Na antsoina fahatany ny Anarany Fa masina (x3) Jehovah Ray.
Écris le tout premier commentaire