Fiv : Hiaraka Aminao Tompo ô, no VOADIKO Hanaraka Anao isan’andro sy hanoa Fa eo Aminao misy fitsarahana sy fiadanana Sambatra aho, manana aho, manana Anao
Raha misarika ahy ‘reo fakam-panahy Ianao mampandresy. Raha misy manjo toa hihemotra koa. Ianao mampahery Tena tsara amiko Tompo ô, ny miara-mamindra Aminao Tsy manahy fa velon-kira ny ao am-po Ekeko avokoa, fa tena mahasoa ‘zay hitondranao ahy Na lalan-tsotra na toa sarotra anilanao aho sahy Tena tsara amiko Tompo o, ny miara mamindra Aminao Tsy manahy fa velon-kira ny ao am-po
Écris le tout premier commentaire