Une des meilleures chansons de Marion!Laissez vos "com" ou notez la video si vous aimez ....ou pas!!Merci et à bientôt pour d'autres clips!!!
Manontany aho fa n'fonao angamba efa leo Mangina tsy nahitana feo f'izao ity no toa miteny irery Mampanahy ahy ihany izay zavatra miseho Mivadika tsy toy ny hatrizay ilay fihetsika mba nasehonao ahy Manontany tena aho hoe nahoana? F'isan'andro ianao mba nitsiky teny foana Ka lazao re aho raha mba sitrakao androany Fa raha ny ao anatiko ao Mangetaheta aho miandry hatrany
Ianao irery no mbola tiako dia efa ampy ahy Ireo adalana efa nariako hanampy anay Fa fotoana mamy nifampizarana hatrizay Angamba tsy hodianao tsy ho hay Ny marina nafoiko omeko anao Izao rehetra izao raha azoko mba natao Ianao irery no mbola tiako dia efa ampy ahy Tsy izao re no handidy raha lasa enao re dia andao fa tsy manahy
Tsisy teny na hoe entiko andresen-dahatra anao Tsofiko rano raha nahita vaovao ( ianao no tiako anefa akory atao) Ekeko fa tia aho anefa atao ahoana Fitiavana tsy atao an-tery Omeko hafa rehefa tsy ho ahy irery Rediredy ny ahy, anefa aza atao mampanahy Fa tena lasa miahiahy, tsy omenao tsiny raha toa mitalaho
Ankehitriny aho lasa tena tia anao Ankehitriny aho mangaina sy mitalaho
Ianao irery....
Fa mbola ahy ihany, ahy irery dia tonga aho hitomany Ianao irery ihany angamba no afaka hiteny Ilay amponao tsy milaoka, nofihininao irery Ka raha azonao hatao dia aza avela Fa ny aty efa niandry efa hatry ny ela Mba niezaka namantatra aho toa very Ny asehon'ny masonao tsy milaza ny dikan'ny ao amponao velively
Écris le tout premier commentaire