Tompo ô tsy haiko ny hangina Fa tena resinao lahatra aho Ho aiza aho, mahamenatra ahy Ireo heloka sy ny hadalana natao Inty aho mahatsapa ny fitiavanao ahy
Mahamay ny fitsapana Manaiky aho izay no lalana Hamefenao ahy K’isaorako anao indrindra, Tompo ô
Fiv : Nahoana aho moa no tsy hankasitraka foana Fa ny fiainako dia avy Aminao Nahoana moa no tsy hanaiky aho F’Ianao no naha-toy izao ahy Ekeko tsy isalasalana ny hitantananao ahy, ekeko izany Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy
Tompo ô toa ny andro mahaory Mavesatra indrindra no lalovako Mafy ny fisarahana amin’ny maha-olombelona Nefa nanehoanao fahagagana Na izany aza Tompo Tsitoha Manaiky aho izay no làlana ka ny androko omaly ny ampitso sy androany Inoako foana fa avy aminao
Fiv..
Mahamay ny fitsapana Manaiky aho zay no làlana Hamefenao ahy isaorako Ianao indrindra Nahoana moa no tsy hanaiky aho Ekeko tsy isalasalana ny hitantananao ahy Ekeko izany
Écris le tout premier commentaire