Miady ho an’ny fiarovana ny zon’ny autiste ny ray aman-dreny malagasy
  • il y a 9 ans
Tsiky, hehy sy fanantenana no hita soritra teny amin’ireo ankizy sy ray aman-dreny maro anio 2 aprily, tetsy amin’ny zaridaina an’Andohalo. Anio tokoa no fankalazana ny andro iraisampirenena hofampahafantarana ny autisme. Misy arak’izany ny hetsika karakarain’ny fikambanana Liberty 32, entina ampahafantarana misimisy kokoa ny momban’ny « autisme ».

Ny anio maraina, dia tapak’andro natokana ho an’ireo ankizy. Nisy ny toerana azo nilalaovana, nisy ny fanaovana kisarisary, ary tsy adinon’ireo mpilatsaka an-tsirapon’ny Liberty 32 ny nizara ody ambavafo sy zava-mamy.

Tsy mora ny mitaiza ny zaza autiste, ka mila tohana tokoa ny fianakavian’izy ireo. Misy arak’izany ny atrik’asa atao eny amin’ny zaridain’Andohalo anio 2 aprily hariva, afahan’ireo ray aman-dreny mitafatafa sy mizara.

Tsy toy ny ankizy rehetra tokoa ny zaza autiste. Anefa, toy ny zaza rehetra, dia manan-jo ny hianatra ihany ko izy ireo. Misy ny sekoly manokana mandray an-tanana an’izy ireo, toy ny « Ecole nos enfants » etsy Amboditsiry.

Raha ny any ivelany, dia misy ny fehezan-dalàna sy sata miaro ny zon’ireo zaza autiste. Mbola tsy misy kosa izany eto Madagasikara. Manana sosokevitra amin’ny fandrafetana izany fehezan-dalàna izany kosa anefa ny avy ao amin’ny Liberty 32, araky ny fanazavan’i Mbolatiana Raveloarimisa.

Arak’izany, dia miandry ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana ny ray aman-drenin’ny zaza autiste malagasy. Ny hetsika hofampahafantarana ny autisme kosa dia mitohy rahampitso 3 aprily. Hisy ny fampiofanana ho an’ireo mpilatsaka an-tsirapo etsy amin’ny ivon-gazety malagasy etsy Antsakaviro.