Endrey! mampientana ny fo, ny dia-tsika roa Maharitra tokoa Endrey! ao an-tsaiko izao fa io ilay endrikao No mbola mamiko hatrizao
Rehefa fetin’ny mpifankatia Ianao mamiratra toa fararanon’ny fitia Ka dia misarika hampatsiahy ‘Lay voaloham-pitia indray ‘Lay fontsika vao nifandray Tena mamy izay
Ref: Fa toy ny vao omaly ny fitiavako anao Tsy lefy hatramin’zao vao mainka nihavao Fa toy ny vao omaly ny fitiavako anao N’inona izay miseho tsy natao hankaleo Enga anie ho samy ho tokam-po Ka hanjakan’ny soa ‘lay fianantsika roa
Endrey! ao an-tsaiko izao Fa io ‘lay endrikao Mbola mamiko hatrizao
Rehefa fetin’ny mpifankatia Ianao mamiratra toa fararanon’ny fitia Ka dia misarika hampatsiahy ‘Lay voaloham’pitia indray ‘Lay fontsika vao nifandray Tena mamy izay