Ny voanio : Satria
Matoa aho nitady anao satria…
Tsaroako tanatiko tao, ilay foko nitempo fitia
Hery tsy haiko resena, sento sy embona koa
Ny atin’ny fo raha jerena dia tokana mba te ho roa
Fiv :
Nanavaka aho (x2) tamin’ny maro
Nitady anao (x2) aiza ihany
Saika tsy nahita aleha fa kanjo tazako ianao
Ary tsapako tamin’zay fa tanteraka ny nofiko
Matoa aho nifidy anao satria…
‘Lay endrika sy bikanao, de nambabo ‘lay foko efa tia
Tsy fantatro ‘zay ao aoriana sy mety ho vokaty izao
Ny foko dia feno hafaliana satria tiko ianao.
Commentaires