'zahay mivady toa sodrian-tory mihevitra anao ankizy foana nony nihiratra taitra tsitahita akory hay moa ianao tonga taona
hay moa tokoa ianao ari-elatra te hanana zo te hande te hivelatra vita ny adidy ny dada sy neny efa voninkazo 'ilay voa novoleny
handeha, tsara tso-drano tsy ho azon-tsampona tsy hidiran'angano handeha, soava-tsaraha, zay vao tena lehilahy
be ny tafahoatra, be koa ny tsy ampy na ny anatra na tambitamby be ny sakatsakana, be ny fandrarana toe-tara toe-drandro izay mazana
nefa izay moa no mba heverinay ho tsara satria ny tianay dia ho tsara dimby sy fara aza tsiriana mety tsy ho tsara daholo ny mba ho fariana ny hahay ny taiza sy ny hikolo
handeha, ny any aloha no banjino ny fahendrena no hany vatsy aza adino handeha mahità ny mamy mba ho lavitra tomany
lasa nandeha ka hisidina irery efa lehibe tsisy handidy tsisy hanery handimby ireo zoky antsoroka adidy ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy
handeha, mahaleova f'ianao no dimby, ianao no handova handeha, ny anarantsika, aza avela ho entin-driaka
Écris le tout premier commentaire