Advertising Console

    Tarika SOLIKA - Niraraka teto ny vonim-boasary (A/C: Ingahy Ranaivo)

    Repost
    ♫ndr♫in♫

    par ♫ndr♫in♫

    105
    3 927 vues
    Niraraka teto ny vonim-boasary
    Nihintsana koa vonin-dramiary ô
    Fa lasan’ny lolo, ny renin-tantely
    Takola-panenitra ô, ity no mamely

    Izany no tsy tantiko raha eto an-tany
    Ny ditran’ny foko nandraisako kiho ô
    Mangidy mihitsy ny tahaka izany
    Ka neniko mafy ô manomboka anio

    Ny foko mitsetra sy vonton’ny sento
    Porofo mazava ny toetra ny eto ô
    Mamitaka mafy ka mahasodoka
    Anio be mazava ampitso misoka

    Ataoko veloma ny ditra mandoza
    Nanaikitra mafy tahaka ny foza
    Samia mba nendry samia mba misaina
    Raha mbola tsy maty ô hendre sombinaina

    Ingahy RANAIVO