Vonjy et al. - Hihaona Aminao
  • il y a 13 ans
http://www.baiboly.org/

Hihaona Aminao

Ny fanatrehana ny fiandriananao
No faniriako miloatra avy ao am-po
Ny voninahitrao mamirapiratra
Misarika ahy haniry fatratra
Hihaona Aminao

Fa ny fanahiko, mangetaheta Anao
Ny saina sy ny fo miandry mitalaho
Raha toa ka mety Ianao na tsy mendrika aza aho
Henoy izao faniriana izao
Hihaona Aminao

Mba henoinao ry Ray ‘zany fanirianay
Te hihaona eto izao hiankohoka mitsaoka Anao
Tompo ô, miandrandra Anao izahay
Hiderana Anao ry ilay Mpanjakanay

Mba henoinao ry Ray ‘zany fanirianay
Te hihaona eto izao hiankohoka mitsaoka Anao
Tompo ô, miandrandra Anao izahay
Midera Anao anio mandrakizay

Mankalaza Anao ry Ray tonga eto aminay
Dia ny voninahitrao mameno izao rehetra izao
Tompo ô, mitsaoka Anao izahay
Midera Anao ry ilay Mpanjakanay

A/C : Vonjy